Fampianarana

Fampianarana eto Madagasikara Sao dia tokony hanaovana fikaonan-doham-pirenena !


  • Alarobia 31 Jolay 2019

Marary ny tontolon’ny fampianarana eto Madagasikara. Adihevitra tsy mety vita ny resaka vanim-potoan’ny taom-pianarana.

 

 

Misy ny milaza fa mety kokoa ilay noeritreretin’ny fitondrana HVM ka miditra volana martsa dia mirava volana desambra. Eo kosa ireo milaza fa ilay mahazatra ihany miditra  septambra na oktobra ary mandeha fialantsasatra volana jona no mety.Mety ho an’ny mpianatra amin’ny tanàn-dehibe ireo taom-pianarana karazany 2 ireo fa ny any ambanivohitra no tena manana olana amin’ilay mianatra ao anatin’ny vanim-potoan’ny orana sy ny rivodoza (janoary-febroary) ka io no anisan’ny nahatonga ny hevitra hampikisaka ny fidirana ho volana martsa. Misy fotoana tokoa amina faritra maro eto Madagasikara tena tsy mianatra mandritra ny fotoana maharitra noho ny fiakaran’ny rano sy ny fahasimban’ny sekoly ireo mpianatra. Mbola olana iray goavana ihany koa ny fandehanan’izy ireo mamonjy ny sekoly satria ny orana mikija, ary mety mbola hita rano koa aza. Mitovy ihany anefa avy eo ny daty hanaovana fanadinana sy ny laza adina ho an’ny mpianatra ambonivohitra sy ambanivohitra. Mitovy amin’ny taom-pianarana any ivelany ilay mahazatra hatramin’izay ka ampiharina ndray manomboka ny volana oktobra ho avy izao. Izay tokoa ve no mety amin’ny mpianatra Malagasy ? Manomboka mitsiry ihany koa ny resaka amin’izao fotoana hoe : sao dia tokony hanaovana fikaonan-doham-paritra ary fehezina amina fikaonan-doham-pirenena mihitsy aza ity sehatry ny fanabeazana sy ny fampianarana ity fa tsy ho lany andro hiady hevitra amina daty sy vanim-potoana dia samy hiziriziry amin’ny heviny eo arakaraka ny maha metimety azy sy hahazoany tombontsoa. Ny fampianarana no miantoka ny hoavin’ny ankizy sy ny firenena ka rehefa io no kitoatoa tahaka izao misy eto Madagasikara izao dia tsy misy fivoarana sy fandrosoana azo antenaina. Tsy zavatra andraisana fanapahan-kevitra maimaika anaty filankevitry ny minisitra ihany koa io fa mila fanadihadiana lalina na ara-tsosialy io na ara-toekarena. Satria na feno trano fianarana raitra sy manara-penitra aza ny fokontany rehetra eto Madagasikara, rehefa kitoatoa ny fomba fampianarana sy ny programa dia aotra ny naoty ary lasa fiompiana ny ankizy no atao sanatria fa tsy fanabeazana.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Ecole Normale Supérieure na ENS
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mpianatra 460 notolorana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT