Fampianarana

Fampianarana Amin` ny 2023 vao tena hilamina ?


  • Alakamisy 09 Jolay 2020

Tamin` ny faha-19 n` ny volana martsa teo no tsy nianatra ny mpianatra amin` ny ankapoebany. Ireo mpianatra hanala fanadinam-panjakana ihany no niverina an-tsekoly ny volana mey lasa teo.

 

 

 

Nivoaka iny ny fanapahana tamin` ny filankevitry ny minisitra farany teo fa mihato ny fampianarana na ho an` ireo mpanala fanadinana aza. Tsy tambo isaina ny olana mianjady amin` ny ray aman-dreny, ny mpanabe, ny mpianatra ary ireo tompon-tsekoly amin` izao. Ho an` ireo mpanala fanadinana ohatra, araka ve ny fandaharam-pianarana? Ho an`ireo sekoly tsy miankina indray dia efa misy lamina napetraka amin` ny famindrana kilasy mpianatra iray. Ireo enti-mody no hamaritana ny fari-pahaizana ireo mpianatra. Na dia eo aza ireo fepetra samihafa dia sarotra ny raharaha satria ny fandaharam-pampianara tsy vita ary ny fitsapana sy fanadinana tsy misy. Araka ny talen-tsekoly iray dia “mampanahy ny handraisana ireo mpianatra nandalo fialan-tsasatra mihoatra ny dimy volana. Hisy aloha ny fitsapana fahaizana rehefa miditra amin` ny taom-pampianarana vaovao izay mbola tsy voafaritra mihitsy”. Namafisiny fa “raha ny zavatra efa niainana teto Madagasikara ny taona 2002 dia ny taona 2004 vao niverina tamin` ny laoniny ny tetiandrom-pampianarana. Midika ve izany fa amin` ny taona 2023 vao hilamina ny fampianarana? Isika rahateo miditra tsikelikely amin` ny rafitra PSE”.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

  • SALON DES ETUDES
  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

INTERNATIONALES ANDIANY FAHA-16

Hijery ny tohiny
FTT