Fampianarana

Fampianarana ambony Tsy misy tokontaniny hatreto


  • Alarobia 26 Aogositra 2020

Adino sy tsy nisy resaka tamin’ny valan-dresaky ny Filoham-pirenena ny 23 aogositra lasa teo ny tontolon’ny fampianarana ambony.

Tsy nisy ny tetiandro mazava momba ny fidirana amin’ny taom-pianarana vaovao, ny famitana ny taom-pianarana teo aloha tsy mbola misy tokontaniny. Ahiana ny fikorontanana indrindra ho an’ny taona voalohany satria ireo efa taona voalohany eny amin’ny anjerimanontolom-panjakana mbola tsy nahavita taom-pianarana, ireo vao tafiditra hiditra amin’ny fisoratana anarana, ireo bakalorea ihany koa efa tsy ho ela ny fanantanterahana azy. Andrasana ny fanapahan-kevitra ara-panjakana mandamina sy mandrindra izany rehetra izany. Na ho an’ny fanabeazam-pirenena aza, dia andrasana tahaka izany ihany koa ny fandaminana ho an’ireo kilasy antenantenany. Ho tsy miankina amin’ny fanjakana mety voalamina sy voarindra ihany, toy ny an’ny sekoly katolika izay misy ny efa nanapa-kevitra ny hanondrotra kilasy ny mpianatra rehetra, toy ny Masindahy Misely Amparibe, izay arahina tantsoroka ho an’ireo mpianatra izay mety tsy tomombana loatra ny fahaizany. Ny sekoly miankina amin’ny fanjakana kosa dia tena nikatso tanteraka.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT