Fampianarana

Fampianarana ambony Niresaka lafin-javatra maro ny SECES sy ny Minisitra


  • Alatsinainy 03 Aprily 2023

Vory lanona teny amin’ny Yandy By-pass ny fianakaviamben’ny Sendikan’ny Mpampianatra Mpikaroka sy Mpikaroka Mpampianatra na SECES ny zoma 31 martsa 2023 nandritra ny fiaraha-misakafo sy koranam-pifaliana 2023.

Fotoana nihaonan’ireo mpikambana ao amin’ny Sampana Antananarivo sy ny Sampana Nasionaly io. Nanome voninahitra sy nanokatra izany ny Ministry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa, Pr Assoumacou Elia Béatrice izay manatanteraka ny fifadian-kanina ka tsy afaka nijanona hatramin’ny farany. Teboka maromaro no voaresaka dia ny momba ireo volavolan-didim-panjakana miisa dimy mifandray amin’ny fampiharana ny Lalàna laharana 2021-005 mikasika ny Sata mifehy ny Mpampianatra Mpikaroka sy ny Mpikaroka Mpampianatra. Voaresaka ihany koa ireo asa miandry sy an-dalam-panatanterahana, ny fikarakarana ny vatsim-pianarana izay efa mizotra amin’ny dingana hanaovana “ engagement “ ankehitriny. Farany, nanamafy ny Minisitra fa misokatra hatrany ny varavaran’ny Ministera amin’ny fikatsahana vahaolana amin’ireo karazana olana sedrain’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana nandritra ny taona maro ka hatramin’izao ary tsy manisy elanelana amin’ny Sendika ny tenany sy ny ekipa miara-miasa aminy. Tsara ny manamarika fa nafampana ny toe-draharaha teo anivon’ny Anjerimanontolo tao ho ao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT