Fampianarana

Fampianarana ambony Mitokona ny SECES Fianarantsoa, manambana ny eny Ankatso


  • Zoma 20 Septambra 2019

Nanatanteraka “Journée de solidarité” ireo mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroka-mpampianatra (SECES) ao amin’ny oniversiten’i Fianarantsoa.

Taorian’izay dia nametraka “préavis de grève” 84 ora izay nanomboka ny alatsinainy 16 septambra 2019 izy ireo. Tapitra ny fanambanana fitokonana ka taorian’ny fivoriambe omaly dia tapaka fa miato ny asa fampianarana ao amin’ny oniversiten’i Fianarantsoa mandra-pahazoana valiny mahafa-po avy amin’ny fitondrana. Hatreto dia noferana ho herinandro ny hetsika ka hiverina hivory amin’ny heriny anio handinihana ny tohiny. Nivory ihany koa ny an’Antsiranana ny alarobia 18 septambra, ka andrasana ny tena akony feno. Mananontanona ihany koa ny eto Antananarivo, raha ny akon’ny fivoriambe ny alarobia 18 teo. Momba ny “Indemnité de recherche et d’investigation” sy ny  “Heures Complémentaires” (HC), miandry ny fivoahan’ny «Compte administrative »  ara-pomba ofisialy ny fandoavana ny IRI 2016 an’ireo mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroka-mpampianatra misotro ronono sy ny “Heures Complementaires” (HC) 2016-2017 tapany faharoa izay hivoaka tsy ho ela. Tsy azo ekena velively ny famerana ny ho 1500 fotsiny ny ora azo tanterahina ao anatin’ny HC mandritra ny taom-pianarana iray. Raha ny marina aza dia takiana ny fanatanterahana ny andininy faha-31 amin’ny lalàna 1995-023 dia ny fanomezana “prime d’encadrement” ho an’ireo mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroka-mpampianatra izay nahavita be. Momba ny “gestion publique”: tsy ekena velively ny fampiharana ny lalana mifehy ny “gestion publique,  loi 2108- 037” ary ilaina jerena ny tsy mahamety azy eo amin’ny fitantanan-draharaha ety amin’ny anjerimanontolo, indrindra ny and 27 sy 31 momba ny fitantanana ny “établissement public”. Aoka hohajaina ny “autonomie universitaire” ary sanatria ny hiverin-dalana any amin’ny “déconcentration” ’ny raharaham-pampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa satria efa tsy nahitana voka-tsoa izany,… hoy ny ampahany tamin’ny fanambaran’ny SECES Rantsana Antananarivo.

 

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT