Fampianarana

Fampianarana ambony Mitohy ny fitakian’ny SECES


  • Talata 30 Mey 2017

Tsy mbola nisy ny fifanarahana niraisana nivoaka tamin’ny fifampidinihan’ny SECES sy ny tompon’andraiki-panjakana, araka ny fanazavan’ny filohan’ny SECES nasionaly Dr Dimby Andrianina Ralambomanana.

 Tsy marina, hoy ny SECES vaovao an-gazety navoakan’ny minisiteran’ny vola sy ny tetibola ny 26 mey ny tsy finiavan’ny mpitondra hanatanteraka ilay fifanarahana natao teny Mahazoarivo ny 10 septambra 2015 momba ireo zo sy hasin’ny mpampianatra-mpikaroka sy ny mpikaroka-mpampianatra voafaritry ny didim-panjakana 2009-1214 sy 2009-1215 ary ny 2009-1216 satria tsy mbola nisy io fifanarahana niraisana io. Fanaovana tsinontsinona ny mpampianatra-mpikaroka ny fomba filazan’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny vola sy ny tetibola mikasika ny hoe ho fanamorana ny fahazoana fanampiana avy amin’ny mpamatsy vola mahazatra dia aleo hampandeferina ny zo sy ny hasin’ny mpampianatra mpikaroka, hoy ny SECES. Tokony ho efa naloa tamin’ny lalàna mifehy ny tetibola 2017 (LFI 2017) ny zon’ny mpampianatra mpikaroka (indemnité de logement, indemnité de residence) saingy navadika ho amin’ny taona 2018 indray izany, ka izay no ambaran’ny SECES ho tsy azo ekena, ary tsy hivadika amin’ny fifanarahana efa nataony sonia ny mpitondra. Mankasitraka ny hitohizan’ny ezaka fifampidinihana eo amin’ny an-daniny sy ny an-kilany kosa anefa ny SECES mba hahitana vahaolana mahomby hisian’ny fitoniana fa hatreto aloha dia mitohy ny fampiatoana ny asa fampianarana. Raha misy ny vahaolana mahomby azo ekena avy amin’ny fitondram-panjakana dia tsy manahirana ny manao fanambarana indray fa nahafa-po ka miverina ny fampianarana. Andrasana ny famalian’ny fanjakana ny fitakiana. Raha tsy misy ny vahaolana dia hiroso amin’ny fitokonana faobe izy ireo. Marihina fa hanao filankevitra nasionaly ny SECES ny alakamisy 1 jona 2017 izao. Rah any vaovao farany omaly hariva dia hanao fivoriam-be mihiboka an’efitrano ihany koa ny SECES rantsana Antananarivo, ka ao amin’ny Fakioliten’ny Teny aman-tsoratra, dia ao amin’ny Amphi 24 no hanaovana azy io anio amin’ny 9 ora ka hatramin’ny 11 ora atoandro.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT