Fampianarana

Fampianarana ambaratonga ambony Miezaka manome vahana ny sehatry ny fikarohana


  • Alakamisy 15 Jona 2017

Miezaka manome vahana hatrany ny sehatry ny fikarohana ny minisiteran’ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana siantifika tarihin’ny minisitra Rasoazananera Monique.

 

Notanterahina omaly teny amin’ny foiben’ny minisitera eny Tsimbazaza ny forum de la recherche, hetsika tanterahina in-telo isan-taona, notarihin’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta  Solonandrasana Olivier. Nambaran’ity farany nandritra izany fa tena zava-dehibe ho an’ny firenena toa antsika tokoa ny fanomezana vahana ny sehatry ny fikarohana tahaka izao hahafahana mampandroso ny firenena. Fotoana iray hanehoana amin’ny rehetra ihany koa izao fa  tena ilaina ny fikarohana ho an’ireo mpikaroka mpampianatra sy mpampianatra mpikaroka hamaliana ny filan’ny mponina amin’ny fiainana andavanandro. Betsaka amin’ireo zava-maniry ananantsika eto an-toerana no azo avadika ho akora hafa hikarakarana ny tarehy, hanaovana fanafody nefa tsy ananan’ny firenen-kafa. Tanjona tamin’izao hetsika izao moa ny hanehoana amin’ny mpiara-belona  fa ilaina hatrany ny sehatry ny fikarohana ho fampandrosoana ny firenena.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT