Fampianarana

Fampianarana ambaratonga ambony Mahatsiaro tena ho kamboty ireo mpiasan’ny ministera


  • Alarobia 02 Desambra 2020

Tsy milamina ny tontolon'ny oniversite sy ny fampianarana ambaratonga ambony

 

 

 

amin` izao fotoana izao. Mahatsiaro ho toy ny kamboty ny ao amin` ny ministeran’ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, hoy ireo solontenan` ny mpiasa nitafa tamin` ny mpanao gazety. “Tsy manana vina mazava hanarenana ny oniversite sy ny toeram-pikarohana ny ministra ary vao mainka tsy misy vina hampandrosoana ireo sehatra ireo. Sahirana ny tompon’andraikitra eo anivon’ny ministera satria toa kamboty, tsy misy lehibe manoro izay vina tokony hotanterahin’izy ireo” hoy izy ireo. Somary mananosarotra vao mahazo an-dRamatoa minisitra amin` izao noho izy miandry vohoka, hoy ny loharanom-baovao. Tsy mirindra araka tokony ho izy, araka izany, ny fomba fiasa eny anivon` ny minisiteran` ny fampianrana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Maro ny hetsika atao eny amin` ireo oniversite sy ataon’ireo sampandraharaha eo anivon’ny ministera nefa vitsy amin’izy ireny no ahitana an-dramatoa ministra. Nampatsiahy ireto mpiasa fa vao tonga teo amin` ny toerany ity minisitra ity dia nanova tsikelikely ireo tompon’andraikitra ambony ao amin` ny ministera izay zony. Saingy kosa “misy mahavariana ny fanendrena olom-baovao : misy amin’izy ireo no milaza tsotra izao amin` ny mpiasa fa tsy hainy io andraikitra ametrahana azy io!” hoy izy ireo. Efa notanterina teo amin` ny gazety Tia Tanindrazana ny 31 oktobra teo izay mety ho akon` ny hoe “minisitra mitondra vohoka” sy ny andraikitra sahaniny. Araka izany, mila mametraka ireo olona tokony hisahana ny fitantanana vonjimaika ny minisitra. Izy rahateo dia mpampianatra-mpikaroka mikasika ny fiaraha-monina (socio-anthropologue) ka mahafantatra tsara fa mila tontolo milamina ny fampianarana ambony ankehitriny hanohizana ireo ezaka araka ny vina maha fanoitra ho amin’ny fampandrosoana maharitra eto amin’ny firenena Malagasy.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

  • SALON DES ETUDES
  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

INTERNATIONALES ANDIANY FAHA-16

Hijery ny tohiny
FTT