Fampianarana

Fampianarana ambaratonga ambony Kivy amin’ny minisitera ry zareo Seces


  • Alarobia 06 Novambra 2019

Na ny mpianatra aza dia efa mahalala fa ao aorian’ny fifampidinihana hitadiavana vahaolana amin’izay olana miseho ka midona amin’ny rindrina tsy misy mihaino dia misy ny fahafahana manao ny antsoina hoe « Préavis de grève ».

 72 ora izy io ary alefa paositra misy ny antsoina hoe « accusé de réception” , izany hoe fanamarihana fa voaray ny hafatra. Ho an’ny Seces Antananarivo  dia tontosa ireo, hoy ny fanazavana. Azo hamarinina izany, hoy ny filohan’ny Seces Tanà, Ny Profesora Grégoire Ravelonirina. Tsy mijery televizionina sy mihaino vaovao angamba ireo tomponanandraikitra, hoy izy. Mampalahelo ny zava-misy satria ny toerana maha tompondraikitry ny minisitera dia toeram-boninahitra ary tsy ny olon-drehetra no tojo izany fa notsongaina tao anatin’ireo mpampianatra mpikaroka, hoy hatrany ity filohan’ny Seces ity. Na izany aza, hoy hatrany ny tenany, dia fanehoana tsy finiavana handray andraikitra ny an’ny minisitera raha nilaza fa tsy naharay taratasy manambara ny fisian’ny fitokonana ety amin’ny anjerimanontolo. Hita ho kivy amin’ny minisitera araka izany ity sampan ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT