Fampianarana

Fampianarana ambaratonga ambony Efa misy eto ny oniversite dizitaly


  • Alakamisy 19 Novambra 2020

Tontosaina etsy amin’ny Pavé Antaninarenina anio sy rahampitso ny hetsika

 

 

 

“Salon de l’orientation et guide des études supérieures” andiany faha 21. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha 10 taonan’ny mpikarakara dia ny fikambanan’ireo tanora mpampianatra sy mpianatra mpikaroka eto Madagasikara na Ajeem izy ity ary isan’ny hampiavaka ny hetsika ankoatran’izay ny fandraisan’anjarana sekoly ambony miisa 21 eto Madagasikara. Zava-baovao ho hita ao ihany koa anefa ny mikasika ny atao hoe oniversite dizitaly izay tsy ilana fifanatrehana mivantana eo amin’ireo mpianatra sy tomponandraikitra na mpampianatra fa amin’ny alalan’ireo fitaovana nomerika maro samihafa dia ampy hampitana fahaizana amam-pahalalana, hoy ny fanazavana. Efa misy eto amintsika io karazana oniversite io ary hanao fampirantiana ao an-toerana. Isan’ny tombony goavana ao anatin’ny fisian’izany ny tsy fahataran’ny fandaharam-pianarana na inona na inona toe-draharaha miseho eto amin’ny firenena. Manoloana ny ahamehana ara-pahasalamana moa dia vinaniana hatreo amin’ny 1000 isa ireo hitsidika ity hetsika ity raha nahatratra 2000 izany tamin’ireo hetsika teo aloha, raha ny voambara hatrany

J. Mirija

 Legende: Ny solontenan’ireo mpandray anjara sy mpikarakara

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT