Fampianaran-janaka

Adidy fa tsy fomba


  • Zoma 24 Janoary 2025

Ankalazaina isaky ny 24 janoary tahaka izao ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fanabeazana.

Adidy ho an’ny taranaka sy ny firenena mihitsy ny fampianaran-janaka, raha ny fanehoan-kevitry ny avy eo anivon’ny vovonana, Vonjeo ny fampianarana! Ny zanaka na ny taranaka no hoavin’ny firenena, hoy ny fanazavàna. Ireo no hitondra ny firenena rahampitso. Hikolokolo ny taranaka mandimby rehetra. Ny fitenenana hoe «Ny fianarana no lova tsara indrindra.» dia midika fa tsy misy afa-tsy ny fianarana ihany no afaka hampatanjaka sivilizasionina, fiarahamonina, firenena iray mihitsy. Manahirana izany mpanakanto nefa nandra izany, hoy ny vazivazy zarintenan’ny mpanakanto, Olombelo Ricky izay. Ny tsy fanomezan-danja ny fanabeazana eto amin’ny firenena no antony mahatonga ny firenena malagasy ho gisitra amin’ny sehatra rehetra toy izao. Tsy ny mpanabe irery no mahita izany fa rehefa mety ho mpamakafaka isan-tsehatra. Ny atsasa-manilan’ny malagasy izany izao no tsy mahay mamaky teny sy manoratra, raha ny tarehimarika navoakan’ny INSTAT na sampan-draharaha misahana ny tarehimarika farany eto amintsika. Raha fomba fotsiny ny fampianaran-janaka dia heverina fa tsy ilaina akory ny fanaraha-mason’ireo ray aman-dreny mikasika izay fampianaran-janaka izay fa noho ny maha adidy azy no hanentanana ny ray aman-dreny hanara-maso hatrany ny fampianarana an-janany no sady hizara ny sosonkeviny ho fanatsaràna izay fanabeazana eto Madagasikara izay, hoy hatrany ny Vonjeo ny fampianarana!

"Misedra olana amin'ny lafiny maro ny sehatry ny fanabeazana eto Madagasikara tato ho ato, hany ka lasa ambanin-javatra tsy toy ny taloha intsony. Eo ny olan'ny mpampianatra, ny mpikaroka, ny mpianatra fa indrindra ny Ray aman-dreny izay hakavitsiana no mahavita manara-maso ny fanabezana ny zanany. Olan'ny goavana ho an'ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy mpanabe RAOELIARIJAO ny tsy fijerenantsika ny FOTOTRA ka mahatonga antsika hihevitra fa ny fanabeazana dia resaka fampianarana any an- tsekoly fotsiny ihany. Tsara ho fantatra anefa fa ny sekoly voalohany ho an'ny ankizy dia ny TOKANTRANO,… Moa ve manabe sy maodely tokoa ny ray aman-dreny ankehitriny ? Sao dia any amin'ny resaka tokantrano aloha no tokony hojerena voalohany amin'ity resaka fanabeazana ity izay vao ny sekoly sy ny hafa ! Tsy maintsy faritana aloha ny atao hoe fanabeazana, hoy ity mpanabe ity.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT