Fampianarana

Fampiakarana vatsim-pianarana 100% “Misy dingana maro ny ahatongavana amin’izany”


  • Zoma 29 Jolay 2022

Vao andro vitsy izay ny nangataka fampiakarana vatsim-pianarana 100% nataon’ny mpianatra avy amin’ny faritra 23.

Efa misy ny fangatahana fihaonana nataon’ny mpianatra mahakasika an’io, mbola manontany an-dry zareo, ary hisy fihaonana sy fifampiresahana aminy amin’ny ambangovagony, misy dingana maro ny ahatongavana amin’izay, ary misy antony betsaka ihany koa anefa ahafahana manao an’izay, hoy kosa ny Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa omaly. Notsipihin’io minisitra io ihany koa anefa fa mpianatry ny ambaratonga ambony ireo ka mahafantatra tsara ny zava-misy, mahafantatra tsara ny lalàna mifehy ny tetibola sy ny famoahambolam-panjakana eto amin’ny tany sy ny firenena, mahalala ny voarakitra amin’ny fikirakirana volam-panjakana sy fahafahana manao izany sy ny mety ho tsy fahafahana manao izany. Tsara ny mampahatsiahy fa efa lany ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2022, izay toa midika fa na mety hisy aza ny fahafahana mampiakatra ny vatsim-pianarana dia tsy ho amin’ity taona ity. Mikasika ny “vacation” kosa, nanamafy ny minisitra fa nisy ny fangatahana ny « vacation », namaly izany ny fitondrana, efa nalefa tany amin’ny Oniversite tsirairay ny 2021, ka voaloa ny rehetra ankoatra an’Antsiranana 80%, ary Antananarivo mbola tsy nisy. Tsy nisy fandefasana vola 80% avy amin’ny Fanjakana, fa rehefa nisy ny fanaraha-maso, dia ireo tsy nahatongavana “pièces justificatives” no nahintsana tao anatin’ny lisitry ny mpisitraka “vacation”. Izay taratasy voamarina sy voahintsy, izay ny oniversite ihany no afaka manao azy fa tsy ny minisitera, dia ireny ny vola nalefa tamin’ny oniversite tsirairay. Nanambara ny oniversiten’Antananarivo fa hivoaka amin’ity herinandro ity, ka miandry an’izany ny Minisitera. Tsy misy resaka “tranche” ny “vacation” fa manao fangatahana mandefa antontan-taratasy izy, dia manao fanamarinana ny Minisitera, ny Primatiora, ny Fiadidian’ny Repoblika. Nanomboka ny alatsinainy teo kosa ny fitsarana fanadinana ho an’ny sokajy ankampobeny, izay misy antanan-tohatra maromaro, tsy azon’ny Minisitera hitsabahana ny ankamaroany tahaka ny « déliberation ». Anelanelan’ny 13 hatramin’ny faran’ny aogositra no tombanana hivoahan’ny valin’ny fanadinana bakalorea ho an’Antananarivo.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

  • SALON DES ETUDES
  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

INTERNATIONALES ANDIANY FAHA-16

Hijery ny tohiny
FTT