Fampandrosoana ny firenena

Misy ezaka goavam-be mbola mila atao any amin’ny fanabeazana


  • Zoma 06 Septambra 2024

Dia raikitra indray ny fidiran’ny mpianatra, efa maro ireo sekoly tsy miankina no nanomboka ny

fianarana ny alatsinainy 1 septambra lasa teo. Mafimafy ny vola laniana amin’ny fampidirana saingy tsy maintsy atrehana satria tsara ny mampiana-janaka hoy ireo ray aman-dreny sendra ny mpanao gazety. Maro ny zavatra tsy maintsy nampandeferina, na efa tany amin’ny vola mey dia efa nanomboka nividy ny ampahana fitaovana , amin’izay mba tsy mavesatra be aty amin’ny volana aogositra sy septambra.
MILA EZAKA BE
Etsy ankilan’izay misimisy ihany koa ireo karazana hetsika nataon ho an’ireo mpianatra afaka ny fanadinana bakalorea ka te hijery hoe inona no lalam-piofanana mety aminy kokoa sy ahitana asa any aoriana. Maro no miezaka fa tena mbola lavitr’ezaka kosa anefa ny asa fanatsarana ny tontolon’ny fanabeazana sy fampianarana eto Madagasikara. Tsy nandia fianarana tsotra izao, izany hoe tsy niditra an-tsekoly mihitsy ny 28,4% n’ny Malagasy, nahavita ambaratonga fototra 44,4%, raha toa ka 2,8% momba no mahavita ambaratonga ambony izany hoe nianatra teny amin’ny oniversitem-panjakana na oniversite tsy miankina Ireo no tarehimarika navoakan’ny fanisam-bahoaka natao tamin’ny alalan’ny tetikasa RGPH3 ny taona 2018.Efa ambany ireo tarehimarika ireo raha oharina fotsiny amin’ny nosy Maorisy , ka nefa ny mampatahotra dia nahitana fihenanan ny tahan’ny fidirana an-tsekoly eny amin’ny ambaratonga fototra noho ny antony ara-pahasahiranana sy ny fahantrana moa mazava ho azy. Ny 96,2% n’ny zaza malagasy no niditra ambaratonga fototra ny taona 2006, nihena 73,4% izany ny taona 2010 ary 69,4% ny taona 2012.
FAHALALANA MAMPANDROSO
Ny dikan’ireo tarehimarika ireo dia ambany ny fahalalan’ny Malagasy amin’ny ankapobeny ; marina hoe maranin-tsaina ny Malagasy saingy tsy ampy fahalalana sy fianarana hany ka voafetra ihany ny azavatra vitany eto an-toerana. Tsy ampy ny fitaovana, tsy ampy ny fotodrafitrasa, tsy mazava sy mavesatra be tsy ahafahana mivelatra ny rafim-pampianarana sy ny fandaharam-pianarana. Rehefa amivoaka any ivelany anefa ny tanora malagasy dia tena mamiratra ary mampiaiky volana izao tontolo izao mihitsy ka mahatonga an-dry zareo mamerimberina manontany foana hoe : mahay ianareo ka,efa nahoana no mahantra ny firenenareo ? Tsy maintsy amboarina, hatsaraina, avaozina hanaraka ny zava-misy iainana eto sy any ivelany ny tontolon’ny fanabeazana sy fampianarana satria io no fototry ny fandrosoana sy ahafahana mandresy ny fahantrana. Mora kokoa ny mitantana olona ampy fahalalana sy mbola mazoto hanita-pahalalana. Porofo mivaingana amin’izany ireo firenena mandroso rehetra ireo. Tsy nisy mihitsy izany hoe maro an’isa ben y tsy mianatra sy bado ao amin’ilay firenena kanefa mandroso be ilay firenena. Tsy maintsy mianatra raha te hivoatra sy te ho tafita.
RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT