Fampianarana

Fampandrosoam-pirenena Mbola lavitra ezaka, hoy ny mpampianatra mpikaroka


  • Sabotsy 05 Aogositra 2017

Nanazava ny lohahevitra hoe « Ny Ntaolo, ny sera sy ny fampianarana izany ankehitriny » ny mpampianatra mpikaroka, Jean Jules Harijaona,

 izay manam-pahaizana manokana momba izay lafiny serasera izay, tetsy amin’ny Trass Tsiadana ny alarobia teo. Antony namelabelarany izany, raha ny fanazavany, dia satria manana anjara toerana goavana amin’ny fiainam-pirenena io resaka serasera io. Amin’izao, hoy izy, raha misy olana kely, toy ny tsy fahampian’ny mpampianatra, dia tsy ny fototry ny olana no jerena fa vahaolana vonjimaika hatrany, toy ny fandraisana FRAM. Na eo amin’ny lafiny politika koa aza, hoy izy, raha tsy hiresaka afa-tsy fifidianana, ohatra, dia ny olom-pirenena mihitsy no mila fanabeazana mba hahaizany hifidy fa na mangarahara sy tomombana aza ny fifidianana ka tsy mahay mifidy ny vahoaka dia tsy hampiova toe-draharaha na oviana. Isan’ny nandray anjara fitenenana tamin’ny hetsika moa ny filoha tale jeneralin’ny Vidy varotra, Tahiana Razafinjoelina ary dia nilaza izy fa isan’ny voizina an-tserasera amin’izao ihany koa ny fampirisihana hifaninana kanefa dia ny fifanohanana sy fifanampiana izao no ilaina raha tiana ny handroso.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT