Famoahana mialoha laza adina Bakalorea

Olona miisa 4 no voarohirohy


  • Alarobia 07 Aogositra 2024

Nanimba ny sain'ny mpikirakira tambazotra serasera ny fahitana mialoha ireny laza

adina ireny nandritra ny fanadinana Bakalorea farany teo, hoy ny fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena omaly. Efa nampanantena ny ato amin’ny Zandarimaria, hoy ny fanazavana, fa hisy ny vokatra mahakasika azy ireny ho an'ny eto Menabe. Vokatry ny asa nataon'ny GAPJ GN Menabe dia olona miisa 4 no voarohirohy amin'izany ka ny 1 amin'izy ireo dia ankizy mbola tsy ampy taona ary tsy naseho amin’ny sary. Ny iray mpiandraikitra kaonty Facebook, izay voaporofo fa nahazo ary nanaparitaka ilay laza adina izay mitovy amin’ny laza adina tonga tao amin’ny fanadinana tamin’ny matematika. Mpianatra miisa 2 no nahazo izany fa ny 1 mbola tsy ampy taona. Talena lisea tsy miankina iray no voaporofo fa nanome naoty ny mpianatra tsy niatrika fanadianana fanatanjahantena. Efa naterina amin’ny fitsarana ny raharaha. Aza dia manimba mpianatra tompoko, hoy hatrany ny zandarimariam-pirenena.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT