Famoahana laza adina BEPC nialoha

Mpampianatra 1 vosambotra, mpiadina 18 naato


  • Alarobia 03 Jolay 2024

Mpampianatra iray antsoina hoe : R.C. vao 25 taona,

mpampianatra ao amin’ny Lisea tsy miankina iray any Port-Bergé no voasambotry ny mpitandro ny filaminana omaly maraina. Tratra teo am-pizarana valin’ny laza adina Matematika izy io, raha ny loharanom-baovao. Nidina an-tsehatra nanamarina ny zava-nisy ireo lehiben’ny mpitandro ny filaminana avy amin’ny polisim-pirenena sy ny zandarimariam-pirenena, ka mpianatra miisa 18 izay mpanala fanadinana BEPC no tratra niaraka tamin’io mpampianatra io tany an-tranony, teo am-pandikana ilay valin’ny laza adina. Rehefa nosokafana ny valopy nisy ny laza adina matematika, dia hita tokoa fa tena nifanitsy tanteraka tamin’io ilay valiny nasaina nadikan’ireo mpianatra. Nosamborina io mpampianatra io, ary naato tsy afaka miatrika ny fanadinana ireo mpianatra 18 araka ny fanapahan-kevitry ny DREN na ny fiadidiam-paritry ny fampianarana ao Boeny. Tsy maintsy hiakatra fampanoavana mazava ho azy ity raharaha ity, ka andrasana ny tohiny. Raha ny lalàna, dia tsy mahazo miatrika fanadinam-panjakana ao anatin’ny 5 taona izay tratra manao hosoka na « fraude ». Andrasana kosa ny mikasika io mpampianatra io na koa ny sekoly nampianarany mihitsy aza ankoatra ireo mpitsikombakomba hafa satria heverina ho nanao tari-bato vilam-bava sy mamosavy an-kolaka ny mpianatra izany ny tenany. Tsy tany amin’ny Faritra Sofia ihany, fa nanomboka ny faran’ny herinandro teo no efa nandeha ny karazana bizina maloto amin’ny fivarotana laza adina izay asa na fanakorontanana saim-bahoaka na tena izy saingy tsy azo hamaivanina. Entanina hatrany ny mpiadina sy ny Raiamandreny tsy ho roboka amin’ireny satria tena famitahan-tena sy poizina ho an’ny ho avin’ny mpianatra ny fahafahana sy mari-pahaizana miorina eo ambony tsy fahamarinana sy hosoka.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT