Fampianarana

Famitana ny taom-pianarana Hiditra ny 28 septambra ny oniversite


  • Alakamisy 10 Septambra 2020

Tapaka nandritra ny visio-COPRIES ny 08 septambra 2020 fa hiditra amin'ny 02 Novambra 2020 ny oniversite rehetra araka ny efa nambaran'ny filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina ny Alahady 6 septambra lasa teo,

 

 


 hoy ny Minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fampianarana ara-tsiansa, tarihin’ny Minisitra Pr Assoumacou Elia Béatrice. Ho an'ny mpianatra mbola tsy nahavita ny taom-pianarana, izay oniverisite 4 amin’ny 8 eo, dia amin'ny 28 septambra izao no hanombohana ny famitana izany araka ny fanapahan-kevitra noraisan'ireo filohan'ny oniversite rehetra izay tompon'andraikitra voalohany amin'ny fanatanterahana izany. Napetraka ireo daty ireo mba ho fitsinjovana sy hanomezana fotoana hiverenan’ireo mpampianatra, mpianatra, izay efa saika namonjy ny toerana sy Faritany misy azy avy. Hitsinjovana ihany koa ireo Ray aman-dReny amin'ny fanomanana ny vatsy ho an'ireo mpianatra entina miatrika ny taom-pianarana 2019-2020. Taom-pianarana 3 no tsy maintsy harindra amin'izao fotoana izao : ny 2018-2019 , 2019-2020 ary ny fanomanana sahady koa ny 2020-2021 izay voakasika sy voakorontan'ity valan'aretina covid-19 ity avokoa.

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT