Fampianarana

Famahana ny olan’ny Seces Asa indray izay hataon’ny minisitra vaovao


  • Alakamisy 01 Aogositra 2019

Horaisin’ny minisitry ny fampianarana ambony vaovao, Blanche Nirina Richard, anio ny avy eo anivon’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka eto

 

 

Antananarivo, raha ny fanazavan’ny filohan’ny Seces Tanà, Sammy Grégoire Ravelonirina, nandritry ny fihaonan’ny solontenan’ireo oniversite miisa 12 eto afrika mikaroka momba ny resaka fisorohana sy fitantanana ny loza tetsy amin’ny Colbert Antaninarenina omaly. Miarahaba sy mankahery ny minisitra vaovao amin’ny adidy mavesatra miandry azy ny tenako, hoy ity filoha ity, satria raha ny mikasika ireo fitakiana miisa 7 nataonay dia tsy mbola misy azo tsapain-tanana aloha hatreto ny famahana ny olana. Manantena izahay fa hijery vahaolana maharitra ny fanjakana mba tsy hiverenan’ny olana toy ny fampiatoana fampianarana, hoy izy. 3 volana lasa izay dia miroso amin’ny fanatanterahana ny fanjakana. Ohatra, ny momba ny fikarakarana ny atao hoe “reclassement” dia vahaolana politika no azo fa tsy teknika. Ny Seces anefa efa nanolo-kevitra hoe aleo vitaina 2019 ny ampahany voalohany ary  ny taona 2020 ny faharoa. Efa neken’ny praiminisitra fa tokony handeha ho azy io. Efa nekena fa haloa ny trosan’ny Seces amin’ny fanjakana. Ampahany no efa azo. Vonona amin’ny fifampidinihana izahay ary mino fa hahita marimaritra iraisana ahitam-bahaolana, hoy izy.

J. Mirija

Legende: Ny Pr Sammy Grégoire Ravelonirina filohan’ny Seces Sampana Antananarivo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT