Fampianarana

Famahana ny olan’ny Seces Antananarivo Tsy mbola tafatsangana ilay komity tokony hijery azy


  • Alatsinainy 17 Jona 2019

Rehefa nihaona tamin’ny praiminisitra dia nifanaiky fa hampiato ny fitokonana sy hiverina hanao ny asa fampianarana sy fikarohana ny Seces,

 

 

 raha ny fanazavan’ny filohan’ity sendikan’ny mpampianatra mpikaroka eny amin’ny oniversiten’Antananarivo ity, Sammy Gregoire Ravelonirina. Efa nampanantena handray andraikitra rahateo ny fitondrana. Tsy sasatry ny miezaka mampahatsiahy ny eo anivon’ny minisitera mpiahy sy ny eo anivon’ny kabinetran’ny primatiora izahay hoe nisy ny fifampiresahana. Efa in-droa miantoana no nisian’ny fifampiresahana tamin’ny minisitra tompon’andraikitra hijerena ny tokony hatao. Natao laharam-pahamehana, ohatra, ny resaka « reclassement » izay nijanona 3 taona teo ho eo. Hisaorana ny minisitera mpiahy aloha ny fikarakarana ireo ary efa henonay koa ny vaovao avy ao amin’ny minisiteran’ny vola sy tetibola ary toekarena fa efa mikarakara araka izay azo atao ry zareo, hoy hatrany ity filoha ity. Ny tsy tontosa hatreto dia ny fitsanganana ofisialin’ilay « comité ad’hoc » sy ny fitohizan’ilay « espace de dialogue » izay hotarihin’ny minisitera sy handraisan’ireo mpampianatra mpikaroka manerana ny nosy anjara mba hijerena ny vahaolana sy ny mety ho fanovana ireo rijan-teny sy karazana fehezan-dalàna izay efa lany andro ny sasany ka misy tokony hohavaozina sy hohatsaraina. Tsy mbola tafatsangana ofisialy io komity voalaza io fa andrasana ny fanendren’ny fiadidian’ny primatiora. io anefa no mandrindra sy mandamina ny asa, mamolavola ireo rijan-teny sy lalàna vaovao ary manara-maso ny fanatanterahana ireo fitakiana sy ny fifanarahana nifanaovana tamin’ny fitondrana, hoy hatrany ny filohan’ny Seces Antananarivo.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT