Manoloana ny fahamaizana tranon’ny mpianatra misesisesy, ny firoboroboan’ny
fanorenana trano tsy ara-dalàna, ny faharatsiana fotodrafitrasa sym bola tsy fanendrena ny talen’ny CROUA eny amin’ny “Campus universitaire Antananarivo” dia nanao fanambarana omaly ny avy eo anivon’ny fikambanan’ny mpianatra rejionaly sy Blocs eny an-toerana. Mankahery sy miara-kory amin’ireo namana sy fianakaviana niharam-boina vokatry ny haitrano namoizana olona iray tany Antsiranana izy ireo ary miantso ny mpianatra rehetra mba hitandrina hatrany tsy hitohizan’ny loza. Mitaky ny fitondram-panjakana ihany koa izy ireo hanarina haingana ireo “campus” may rehetra manerana ny nosy. Mitaky fananganana trano vaovao handraisana ireo afaka bacc tao anatin’ny 2 taona nifanesy. Mitaky vahaolana maharitra manoloana ny tsy fisian-drano sy fahatapahan’izany matetika, ny fanarenana ireo foto-drafitrasa tsy voajery an-taonany maro toy ny trano mitete, WC tsy misy, lalan-drano mamoaka rano tsy misy, indrindra amin’izao fahavaratra izao. Takiana ny fanavaozana ny tariby mitondra herinaratra rehetra satria matetika miteraka loza ny tsy fahatomombanany. Harodano tsy misy hatak’andro, hoy hatrany ireto mpianatra ireto, ireo fanorenana tsy ara-dalàna anatin’ny faritry ny oniversite. Mametaveta ny hasin’ny oniversite dia ny “franchise universitaire” ireny. Tendreo tsy misy hatak’andro ihany koa, hoy izy ireo, ny talen’ny CROUA vaovao izay efa 10 volana izao no banga ny toerany. Nanome 72 ora nanomboka omaly ny fitondram-panjakana moa ireto mpianatra ireto hamahana ny olana rehetra ary mino fa tsy hiandry izay fe-potoana izay akory ireo tomponandraikitra dia efa handroso vahaolana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.