Fampianarana

Fakiolten’ny teny aman-tsoratra eny Ankatso Hidirana lalina ny resaka nomerika


  • Zoma 16 Aogositra 2019

Ao anatin’ny fankalazana ny 60 taona nisiany ankehitriny ny fakiolten’ny teny aman-tsoratra sy ny siantsa mahaolona eny amin’ny oniversiten’Antananarivo.

Nandritry ny fanokafana ny ivon’ny fankalazana izany ny alarobia 14 aogositra teo teny Ankatso Ankatso no nampahatsiahivan’ny sojaben’ity ivontoeram-pampianarana ambony miankina amin’ny fanjakana ity, ny Dr Fanja Tahiana Ralinirina fa nivoatra be mihitsy na dia tsy mbola tonga amin’ny tena tonga lafatra aza ny fakiolte tao anatin’izay 60 taona izay. Nidirana ary mbola hidirana lalina kokoa ny fifehezana ireo teknolojia na  ny NTIC hampifanaraka ireo voka-pikarohana amin’ny toetrandro. Raha niisa 157 ny taona 1960 – 1961 ny mpianatra dia nitombo avo 80 heny, izany hoe 5967 ankehitriny. 106 ireo nahazo ny mari-pahaizana “Docteur” raha tsy nisy tany am-boalohany. Miisa 13 ireo zana-tsehatra na “mention” (TTF: filière) raha 2 monja no niatombohany. Efa tsy tranom-boky intsony ankehitriny, hoy ny fanazavana, no hipoka mpianatra ao amin’ny fakiolte fa ireo cybercafé saingy tsy havela atao latsa-danja anefa ny famakiam-boky satria henatra eo amin’izao tontolo izao ny lazantsika ho tsy tia izay mamaky boky izay, hoy hatrany ny sojabe. Ny volana martsa 2020 moa vao hifarana ity fankalazana ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT