Fahasimban’ny

oniversiten’i Toamasina


  • Alarobia 18 Febroary 2026

Nidina ifotony ny Minisitra mpiahy

Vaindohan-draharahan’ny Fitondram-panjakana ny fanarenana haingana ireo fahasimbana nateraky ny rivodoza GEZANI tao Toamasina. Nidina ifotony tao amin’ny Campus Barikadimy ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, afak'omaly 16 Febroary, nijery sy nandrindra ny asa fanarenana. Araka ny tombana dia simba ny ankamaroan’ny fotodrafitrasa toy ny toeram-piasana, ny efitrano fianarana ary ny trano fonenan’ny mpianatra. Napetraka avy hatrany ny laharam-pahamehana amin’ny fanarenana toy ny fanamboarana maika ny "cité universitaire", ny fanarenana ireo efitrano fianarana, ary ny fananganana fotodrafitrasa mateza sy maharitra. Tanjon’ny Minisitera ny hiantoka ny fitohizan’ny taom-pianarana sy ny fiarovana ny mpianatra. Nihaona tamin’ireo tompon’andraikitra notarihin’ny Filohan’ny Oniversite, Pr RAZANAKOLONA Diny, ny Minisitra ka niara-nandinika ireo fepetra maika hapetraka ho famahana izao voina lehibe izao satria dia voakasika avokoa ny mpianatra sy ny mpampianatra ary ny mpandraharaha eo anivon’ny Oniversite. Nitondra teny fampaherezana ho an’ny fianakaviamben’ny Oniversiten’i Toamasina ny Minisitra ary nisaotra manokana ireo mpiara-miombon’antoka sy ireo rehetra naneho firaisankina sy nanome tanana amin’izao ezaka fanarenana izao.
Pati
Légende : Nandritra ny fihaonana tamin'ireo mpianatra !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT