FAHA-60 TAONAN’NY LMA AMPEFILOHA

Homarihina amin’ny hetsika goavana sy miavaka


  • Alarobia 12 Febroary 2025

Olo-manga an-jatony no efa navoakan’ny Lisea Maoderna Ampefiloha.

Ankehitriny mbola tsy mitsahatra ny manabe ny tanora Malagasy ihany ity lisea iray eto an-drenivohitra izay marihina fa manana ny maha-izy azy manokana. Raha 1500 isa isan-taona mantsy ny mpianatra noraisiny teny am-piandohana dia efa mahatratra 3500 isan-taona amin’izao. Hankalaza ny faha-60 taona nijoroany ny lisea ny datin’ny 19 febroary ho avy izao. Hetsika goavana sy miavaka no entin’ireo tompon’andraikitra hanamarihana izany mandritra ny 3 andro izay hosantarina amin’ny fotoam-pivavahana iarahana amin’ny Fiombonan’ny Fiangonan’ny Jesoa Kristy eto Madagasikara na ny FFKM. Ao amin’ny LMA ihany no hatao io fotoam-pivavahana io arahin’ny fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2025 ny folakandro. Hitohy amin’ny fampirantiana hatao eo an-tokontany ny hetsika ny 20 Febroary entina hampahafantarana ireo maintimolalin’ity lisea iray ity, ny mpampianatra mahavitabe tao sy ireo tompon’andraikitra isan-tokony. Hitohy amin’ny diabe hiainga eo amin’ny LMA ny hetsika ny datin’ny 21 Febroary, hiazo ny Hotely Carlton Anosy….Izany rehetra izany no hatao moa dia ho fanokafana ny fankalazana ny fotsiny ihany izay mbola hitohy mandavan-taona. Fantatra moa fa anisan’ny mpianatra navoakan’ny LMA Ampefiloha ny filohan’ny Antenieran-doholona teo aloha, ny depiote voafidy ao amin’ny Boriborintany voalohany natolotry ny Fitondrana…
Pati
Legende : Liseam-panjakana manana ny maha-izy azy ny LMA Ampefiloha !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT