Faha 45 taonan’ny CEG Antanetibe Mahazaza

Tamboho 800 metatra mahery no tsangambato


  • Alarobia 28 Mey 2025

Feno 45 taona amin’ity taona 2025 ity ny CEG Antanetibe Mahazaza, distrikan’Ambohidratrimo,

hoy ny filohan’ny komity fankalazàna izany, Jaona Raoly. Nosokafana ny taona 2023 izany ary ao anatin’ny fanolorana ampahan’izay tsangambato izay ny komity, mpampianatra, ny ray aman-drenin’ny mpianatra, hoy izy. Ny zoma 30 jona izao dia atomboka amin’ny diabe na «Carnaval» izany. Misy mozika manelanelana avy eo, fanompoam-pivavahana, fandraisam-pitenenana, fanolorana ny tamboho tsangambato izay mitohy amin’ny fiaraha-mikorana samihafa any an-toerana. Hatreto dia ezaka niarahana tamin’ireo maintimolaly, zanaky ny faritra, malalatanana niarahana tamin’ny kaominina no nahafahana nanolotra io ampahany io. 800 metatra mahery moa ny halavan’io tamboho kasaina ho tanterahana io ka ny komity indray izany no manohy ny asa avy eo. Mbola mitohy ihany, na izany aza ny fanentanana amin’ny alalan’ny zanaka am-pielezana sy ny rehetra, indrindra, ireo rehetra nahatsiaro ho nahita soa tamin’izany kolejim-panjakàna izany na aiza na aiza misy azy. Miisa 449 ankehitriny no isan’ny mpianatra ao amin’ity CEG ity ary ahitàna mpampianatra miisa 24, hoy hatrany ny fanazavàn’i Jaona Raoly.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT