Fampianarana

Faha-25 taonan’ny manala azy vita baka Fahombiazana tanteraka niaraka tamin’ny Airtel


  • Alakamisy 10 Aogositra 2017

Fahombiazana tanteraka tamin’ny ankapobeny no azo tamin’ny fankalazana ny faha-25 taonan’ilay hetsika “Manala Azy Vita Baka” nokarakarain’ny orinasam-pifandraisana Airtel ny 04 aogositra lasa teo teny Ivandry.

 

Toraka izany koa ny teny Antsahamanitra ny 27 Jolay lasa teo izay tena nahavory tanora marobe tokoa, niaraka tamin’ny Olombelo Ricky. Nampiavaka ny lanonana  tamin’ity taona ity ny fanohanan’ny orinasam-pifandraisana Airtel ny hetsika niaraka atamin’ny Vazimba Mpanazary sy ny Ivenco izay samy nanome fotoana manokana nahafahan’ireo tanora nankalaza ny faha-25 taonan’ny Malaza Azy vita baka avokoa tamin’ny alalan’ny fampisehoana roa sosona. Hita taratra nandritra izany ny mbola fankafizan’ny tanora Malagasy ny Olombelo  Ricky, mpanankato iray izay miezaka ny manandratra avo ny kolontsaina Malagasy tokoa. Nambaran’ny tale jeneralin’ny Airtel Atoa Maixent Bekangba, nandritra izany moa fa mbola vonona hatrany ny tenany hanohana ny hetsika tahaka izao, indrindra fa mampiombona ny tanora sy manome laka ny kolontsaina Malagasy tahaka izao.

Pati


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT