Faha 100 taonan’ny Lycée Jules Ferry

Hihaona eny amin’ny Espace Rose ireo mpianatra nitety vanim-potoana


  • Zoma 12 Aprily 2024

Hihaona eny amin’ny Espace rose By Pass ireo mpianatra nitety vanim-potoana teo anivon’ny Lycée Jules Ferry Faravohitra.

Io indray no hanohizana ny fankalazana ny faha 100 taonan’ity lisea miankina amin’ny fanjakana nanana ny lazany eto Antananarivo renivohitra ity. Afaka hifampitaona amin’ity korana ity avokoa amin’io fotoana io, raha ny fanazavan’ny filohan’ny komitin’ny fankalazana, Tsiory Rabetokontany, ireo mpianatra tranainy indray sy ireo taty aoriana hatramin’ireo mbola beazina eo anivon’ny lisea hatramin’izao. Tsy ireo mpianatra ihany anefa fa na ireo ray aman-drenin’ireo mpianatra efa nandalo sy mbola manana zanana mandranto fianarana ao ihany koa, izay hasaina mavitrika ho tonga sy handray anjara, hoy hatrany ny tenany. Misy moa ny pejy manokana anaty tambazotran-tserasera toy ny Facebook ahafahana mamantatra ny andinindininy mikasika ity hetsika ity sy ny laharan-tariby mifandraika amin’izany, raha ny fanazavana hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT