Fampianarana

ESC ESPIC Manohana ireo tanora hampandroso ny firenena


  • Alatsinainy 13 Aogositra 2018

Niampy 50 mianadahy indray ireo tanora teknisiana eto amintsika, mpianatry navoakan’ny sekoly ambony ESC ESPIC.

Nizara ho roa ny sokajin’ny mari-pahaizana natolotra azy  ireo ny Sabotsy teo  dia ny sokajy hahazoana ny kategoria laharana fahatelo sy ny faha-efatra eo anivon’ny Ministeran’ny asa sy ny asam-panjakana. Nianatra iray sy roa taona izy ireo ka ho an’ireo enina mendrika indrindra dia fantatra fa hotohanan’ity sekoly ambony iray ity ny tetikasany. Anisan’izany ohatra ilay fanamboarana rindram-baiko ( logiciel). Mandritra ny enim-bolana no hanohanan’ny Esc Espic io tetikasa io mba hahafahan’ilay mpianatra nanao fikarohana mivelatra. Aorian’izay kosa dia ho afaka mikopak’elatra ilay mpianatra hangana ny orinasany manokana ka ho afaka hanampy ireo namany mitovy aminy hahafahana miady amin’ny tsy fananan’asa mahazo ny tanora eto amintsika. Tsiahivina moa fa tsy mionona fotsiny amin’ny fampianarana ankapobeny ity sekoly ambony iray ity. Mampianatra ankizy milalao baolina kitra ihany koa izy ireo manomboka eo amin’ny dimy taonany mba hahafahana miaro ny tanora tsy hanaotao foana. Tafiditra ao anatin’izany ny fampianarana azy ireo ny fisafidianana ny asa hataony rehefa any aoriana mba tsy hifanohitra amin’ny lalam-piofanana arahiny. Ankizy madinika mpilalao baolina kitra miisa 40 ihany koa no notoloran’izy ireo mari-pankasitrahana ny faran’ny herinandro teo.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT