Fampianarana

EPS Bac - kianjan’alarobia Tovovavy mpianatra miisa 5 no bevohoka


  • Zoma 10 Jona 2022

Nanomboka ny 07 Jona lasa teo ny adina ara-panatanjahantena bakalorea ho an’Antananarivo renivohitra sy ny manodidina, haharitra 10 andro.

Ho an’ireo mpiadina nanatanteraka izany tetsy amin’ny kianjan’Alarobia manokana hatramin’ny omaly dia fantatra fa nahatratra 5 be izao ireo tovovavy mpiadina bevohoka. Nisy tamin’izy ireo no tsy mbola nahalala akory fa bevohoka izy raha nisy ihany koa ireo efa nahalala ihany. Mpiadina hiatrika ny baka teknika ny ankamaroan’izy ireo raha ao amin’ny sokajy A2 avy ao Ambohimangakely amin’ny fampianarana ankapobeny ny sasany miampy ireo sokajy S amin’ny fampianarana ankapobeny avy ao Sabotsy Namehana ihany koa sasany. Nomarihin’ny tompon’andraikitra iray eny an-toerana moa fa na marary aza ilay mpiadina dia tokony ho tonga foana. Efa misy mantsy ny dokotera mandray an-tanana azy ireny eny an-toerana mijery ny toe-pahasalamany ary afaka manome taratasy azy tsara ny amin’ny tokony hiatrehany ny adina ara-panatanjahantena an-tsoratra na teoria izay hotontosaina ny 22 jolay ho avy izao. Raha sanatria ka tsy manatrika io adina ara-panatanjahantena io moa ny mpiadina iray dia avy hatrany dia 0 ny naotiny, ary miteraka tsy fahafahany ny fanadinana Bakalorea avy hatrany izany.
Pati
(sary fanehoana)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT