Fampianarana

EPP Talatamaty Nahazo tohana tamin’ny Kaominina


  • Zoma 16 Oktobra 2020

Dabilio miisa 250, kahie, kitapo ary fitaovam-pianarana, ho an’ireo mpianatra sahabo ho 400 mipariaka amin’ireo EPP miisa 10 ao anatin’ny Kaominina Talatamaty,

 

 

 Distrika Ambohidratrimo, Faritra Analamanga. Ireo no natolotry ny Ben’ny tananan’i Talatamaty Raharinoasy Eli Dominic, ho fanampiana ireo mpianatra sy Ray aman-dreny hiatrehana ny taom-pianarana vaovao. Mpianatra miisa 10 nahazo ny salanisa ambony indrindra ary afaka tamin’ny fanadinana CEPE farany teo, tao amin’ny ZAP Talamaty ihany koa no notolorana kojakojam-pianarana sy marim-pahatsiarovana. Ny hanomezana risika bebe kokoa ireo mpianatra hanohy hatrany ny ezaka efa vitan’izy ireo no antony, hoy i Raharinoasy Eli Dominic, Ben’ny tanàna eny an-toerana. Fangtatra fa tsy ho ela, ihany koa, ny fitokanana ny EPP vaovao ao Tanjondava, ao amin’ny Kaominina Talatamaty

Jean D.

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT