Fampianarana

EPP Maurice Guillot Toamasina Ovaina anarana amin’ny teny Malagasy


  • Zoma 08 Mey 2020

Isan’ireo fotodrafitrasa notsidihan’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, tao Toamasina omaly, ny EPP Maurice Guillot.

 

Isan’ireo sekolim-panjakana manan-tantara ao an-toerana kanefa dia efa tena tola ireo fotodrafitrasa mandrafitra azy. Sahirana ihany koa ireo mpampianatra ao an-toerana izay mbola miankina amin’ny famatsian’ny ray aman-drenin’ny mpianatra ny ankamaroany na hoe FRAM. Nisy tamin’izy ireo no nitomany sy nitalaho mihitsy mba handraisana azy ho mpiasam-panjakana amin’izay satria efa ho 42 taona no naha FRAM ny sasany. Nilaza moa ny filoham-pirenena fa ho raisina mpiasam-panjakana avy hatrany izy ireo. Nanamafy ihany koa ny minisitry ny fanabeazam-pirenena, Josoa Iaritsambatra Rijasoa Andriamanana, fa miisa 8000 ny fikasana ao anatin’ny tetikasan’ity minisitera ity handraisana izay mpanabe ho mpiasam-panjakana izay. Ankoatr’izay moa dia nanambara ny filoham-pirenena fa ovaina anarana amin’ny teny malagasy ity sekoly ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT