Fampianarana

EPP MAHAVELONA Nomen’ny Airtel fanomezana avokoa ireo afaka CEPE


  • Zoma 21 Jolay 2017

Notoloran’ny orinasam-pifandraisana Airtel fanomezana avokoa omaly ireo ankizy 52 mianadahy afa-panadinana CEPE tao amin’ny sekoly ambaratonga fototra Mahavelona, sekoly ahian’izy ireo mivantana.

 

 Taorian’ny fitondrana azy ireo nitsangantsangana sy nialavoly kely no nanatanterahana ny lanonana, kilalao niarahana tamin’ny Okalou izay  ny Airtel avokoa no niantoka ny lany rehetra. Tsy diso anjara koa ireo ankizy tsy nahomby tao amin’ny sekoly hampirisihina azy ireo hanao ny tsaratsara kokoa amin’ny taom-pianarana ho avy. Izany no natao moa dia ny ho fanohanana sy ho fanampiana hatrany ireo ankizy mpianatra Malagasy raha araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny orinasam-piandraisana Airtel Atoa Maixent Bekangba. Izy ireny no hoavin’ny firenena ka mendrika ny hotohanana manokana. Anisan’ny anjara andraikitry ny Airtel tanterahiny eto amintsika ny fanohanana ny sehatry ny fanabeazana tahaka izao.

Pati


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT