Fampianarana

EPP Mahavelona Nahazo loka ireo mendrika tamin’ny CEPE


  • Zoma 07 Septambra 2018

Ankizy kamboty sy zanaky ny sahirana ara-pivelomana avokoa ny ankamaroan’ireo mpianatry ny sekoly ambaratonga fototra ao Mahavelona.

 Am-polony maro izy ireo no indray niatrika ny fanadinana CEPE  ny 14  aogositra lasa teo saingy ny 45 ihany no tafita soa aman-tsara. Mba ho valim-pitia ho azy ireo sy hahafahany miatrika ny taom-pianarana vaovao 2018-2019  indray ary dia notoloran’ny orinasam-pifandraisana Airtel fitaovam-pianarana feno izy ireo, omaly. Nahitana kahie, penina….  entina hanamaivanana ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny. Nentina nitsidika ny Rovan’i Manjakamiadana ihany koa izy ireo, fitsangantsanganana nofaranana tamin’ny fiaraha-misakafo niaraka tamin’Atoa Maixent Bekangba, tale jeneralin’ny orinasa. Folo taona izao no niarahan’ny Airtel niasa tamin’ny EPP Mahavelona  ho fitsinjovana ireo ankizy marefo eny anivon’ny fiarahamonina. Efa hiatrika ny fanadinana Bakalôrea amin’ity taona ity ireo ankizy tao amin’ny taona voalohany nanombohan’izy ireo ny fiaraha-miasany. Tanjon’ny roa tonta ny mba hahafahana mamokatra ankizy sy tanora Malagasy manampahaizana na dia eo aza ny fahasahiranana  ho tombontsoan’ny firenena.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT