EPP MAHATSINJO ALASORA

Tsy ampy ny efitranon-tsekoly sy ny dabilio


  • Alatsinainy 18 Novambra 2024

Tsy ampy ny efitranon-tsekoly sy ny dabilio hampiasain’ireo kilonga madinika manovo fahalalana eo anivon’ny EPP

Mahatsinjo, kaominina Alasora, distrikan’Avaradrano. Taorian’ny firodanan’ilay rindrimbe manakaiky ity sekoly ity mantsy dia rava vokatr’izany ny efitrano fianarana iray raha nisy potika ihany koa ny dabilio. Lasa hampiasain’ny ankizy miisa 4 ny dabilio iray vokatr’izany raha tokony ho an’ny ankizy miisa 2.Raha araka ny fanazavan’Atoa Mamiarilala, talen-tsekoly mantsy dia efa tafakatra 350 mahery indray ny isan’ireo mpianatra raisina an-tanana ao amin’izao fotoana izao raha 325 isa no zakan’ny foto-drafitrasa. Manao antso avo amin’ireo tompon’andraikitra voakasika izy ireo araka izany mba hifanohana sy hifanome tanana aminy. Tsiahivina moa fa miisa 9 ireo tompon’andraikitra mampiodina ity EPP Mahatsinjo ao Alasora ity. Ny 8 amin’ireo no mpampianatra ka ny iray no mbola karamain’ny Fikambanan’ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra na ny FRAM. Mikasika ilay latsak’emboka alohan’ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra entina handoavana ny karaman’ny mpampianatra FRAM sy hampandehanana ny raharaha eo anivon’ny sekoly moa dia fantatra fa 20.000 Ar isan-taona izany.
Pati
Legende : Anisan’ny tsy manadino ny EPP Mahatsinjo Alasora ny Fikambanana Porte Bonheur !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT