Fampianarana

EPP Mahamasina atsinanana Nahazo dabilio hiatrehana ny CEPE


  • Alakamisy 17 Mey 2018

Tena betsaka loatra ireo ankizy taona fahadimy hiatrika ny fanadinana CEPE ao amin’ny EPP Mahamasina Atsinanana no iray kilasy.

 Mahatratra 66 isa izy ireo ka voatery nampitomboina ho telo isaky ny dabilio iray no miara-mipetraka raha tokony ho roa. Mba ho fanampiana azy ireo ary dia tonga nanolotra dabilio miisa 30 ho azy 66 mianadahy ireo ny Vivo Energy omaly, fiaraha-miasa niaraka tamin’ny Rotary Club Antananarivo Tsimbaroa. Ny mba hahafahan’ireo mpianatra kely ireo miatrika ny fanadinana CEPE amim-pitoniana no tanjona, indrindra hitazomany ny fifantohany ao anatin’izao fotoana fanaovana famerenana izao. Raha araka ny resaka nifanaovana tamin’ny talen-tsekoly mantsy dia efa ao anatin’ny fotoana fanaovana famerenana tanteraka izy 66 mianadahy ireto ankehitriny.  Tsy maintsy ezahina ny hanatsarana ny tontolo iainan’izy ireo isan’andro entina hanatsarana ny voka-panadinana. Saika zanak’olona sahirana ara-pivelomana avokoa mantsy  izy ireo ka ny fotoana handehanany any am-pianarana sisa no tena mikaonty noho ny asa fitadiavana hiantsorohan’ireo ray aman-dreniny. Tsiahivina moa fa miisa 465 ireo mpianatra manovo fahalalana eo anivon’ity EPP iray ity ankehitriny sahanina mpampianatra sy mpandraharaha 11 mianadahy. Hankalaza ny faha-70 taona niorenany ny sekoly amin’ny taona 2020 ho avy izao.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT