Fampianarana

EPP eto Antananarivo renivohitra Hohampianarina teny frantsay maimaimpoana ny kilasy fahadimy


  • Alakamisy 01 Desambra 2022

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy omaly Alarobia 30 novambra 2022 tetsy amin’ny sekoly ambaratonga fototra Ankadifotsy II ny tetikasa fampianarana teny frantsay ivelan’ny ora fianarana,

maimaim-poana, ho an’ny kilasy fahadimy eny anivon’ireo « EPP » eto Antananarivo Renivohitra. narahina fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Oniversite tsy miankina ISCAM izany hahafahana manatanteraka ny asa. Anisan'ny tena fototra ny frantsay ary ilaina tokoa hahafahan’ny ankizy manamora ny fahazoana ireo taranja hafa. EPP miisa 29, izany hoe kilasy 44 eo ho eo no hisitraka izany voalohany amin’izao fampianarana izao. Tanjona kosa ny hahazoan'ireo kilasy miisa 102 amin'ireo « EPP» 94 eto Antananarivo tombony amin’ity tetikasa ity. Isaky ny Alarobia hariva moa no manatanterahana ity fampianarana ity ny roa tonta ka haharitra 16 herinandro izany. Ireo mpianatra mpilatsaka an-tsitrapo miisa 85 sy mpampianatra mpitan-tsoroka 2 avy ao amin’ny ISCAM ary zokiolona miisa 12 avy ao amin’ny FIZOMA (FIkambanan’ny ZOkiolona eto MAdagasikara) no hiara-hisalahy amin'ny fanatontosana izao tetikasa izao.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fifanaovan-tsonia omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT