Fampianarana

EPP Belanitra Merimandroso Notoloran’ny Vivo Energy fitaovana ny mpianatra


  • Zoma 24 Novambra 2017

Tonga nijery manokana ireo mpianatra 120 mianadahy manovo fahalalana eo anivon’ny EPP ao Belanitra, kaominina ambanivohitra Merimandroso omaly ny orinasa Vivo Energy.

  Saika  zanaky ny sahirana ara-pivelomana avokoa no manovo fahalalana eo anivon’ity EPP iray ity. Raha araka ny fanadihadiana natao dia maromaro amin’ireo mpianatra no manapaka lava noho ny tsy fahampian-tsakafo mianjady aminy. Misy ihany koa ireo tsy mba manana fitaovana hampiasaina mihitsy rehefa any am-pianarana, indrindra fa ireo kojakoja madinika toy ny penina…Mba ho fanampiana ireo ankizy ireo dia notoloran’ny orinasa  kits scolaires feno izy ireo, ahitana kitapo, kahie…. Ankoatra izay dia nampanantena ny amin’ny fanavaozana sy ny fanitarana ny sekoly ihany koa ny tompon’andraikitry ny Vivo Energy noho ny fahasimban’ny  efitranon-tsekoly sasany. Tsara ny manamarika fa anisan’ny asa sahanin’ity orinasa iray ity eto amintsika ankehitriny ny fampiroboroboana ny sehatry ny fanabeazana ankoatra ny fiarovana ny tontolo iainana.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT