Fampianarana

EPP Antanimbarinandriana 15 amin’ireo mpiadina 171 no tsy naka “convocation”


  • Alatsinainy 31 Aogositra 2020

Mpiadina miisa 15 amin’ireo voasoratra anarana miisa 171 hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE rahampitso ao amin’ny EPP Antanimbarinandriana no fantatra fa tsy mbola tonga naka ny taratasy fiantsoana azy tamin’ny fotoana nandalovanay teny an-toerana.

 

 

Misy amin’izy ireny no mbola mihitsoka any ambanivohitra raha araka ny fanazava’ny talen-tsekoly Rtoa Adorson Lanto ankoatra ireo tsy nahare ny fiantsoana azy. Na izany aza anefa dia nanamafy ity talen-tsekoly ity fa mbola azon’izy ireo alaina hatrany ny taratasy fiantsoana azy na dia rahampitso talata aza ka avy hatrany dia miatrika ny fanadinana amin’izay ilay mpiadina raha tratrany io rahampitso talata 02 septambra io. Manao antso avo amin’ireo Ray aman-dReny manan-janaka manovo fahalalana ao amin’ny EPP Antanimbarinandriana tokony hanalana CEPE araka izany ity talen-tsekoly iray ity mba handefa ny zanany haingana hanao fanadinana rahampitso Talata. Tsiahivina moa fa anisan’ny foibem-panadinana iray eto an-drenivohitra ny EPP Antanimbarinandriana. Omaly tontolo no nijery ny efitranom-panadinana ny mpiadina rehetra raha anio alatsinainy kosa vao azo sokafana ny efitranom-panadinana noho ny famendrahana ranom-panafody tsy maintsy natao taminy, iadiana amin’ny fiparitahan’ny Covid 19.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT