Fampianarana

EPP Antandrokomby Niakatra ho 22.000 Ar ny saran-pisoratan’anarana


  • Talata 29 Aogositra 2017

Mikaikaika avokoa ny ankamaroan’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra mampiana-janaka ao amin’ny EPP Antandrokomby kaominina Anosizato Andrefana amin’izao fotoana izao.

 

 Nakarin’ny talen-tsekoly  ho 22.000 Ar mantsy ny saram-pisoratan’anaran’ny mpianatra  eo anivon’ity  EPP iray ity raha 14.000 Ar izany tamin’ny taon-dasa. Raha ny fanazavan-dRakotozandriny  Jean Fidele  filohan’ny fikambanan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra (FRAM) eo anivon’ity  EPP  ity   anefa dia tsy mba nisy dinika nifanaovana taminy  akory izao fa hevitra novolavolain’ny talen-tsekoly  samy irery  izay narahiny  famoriana maimaika ireo ray aman-drenin’ny mpianatra ny 01 jolay lasa teo. Tokony hihena aza ny vola satria efa voaray ho mpiasam-panjakana avokoa ireo mpampianatra FRAM enina teo aloha. Nomarihiny fa mpatsaka ranon’olona, mpanao biriky… avokoa ny ankamaroan’ ireo ray aman-dreny ao ka mila fifampitsijovana. Ny 28 sSeptambra ho avy izao no farafisoratana anarana. Nanomboka tamin’ny heriny androany ny fandraisana anarana. Tsy manaiky izao fampiakarana izao ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana Atsimondrano. Miaina ao anatin’izany ihany koa ireo ray aman-drenin’ny mpianatra ao amin’ny EPP Antokotanitsara.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT