Fampianarana

EPP Antandrokomby Mitaraina ny Ray aman-dReny fa mandoa vola


  • Alarobia 07 Oktobra 2020

Raha efa nampahafantarina tamim-pomba ôfisialy fa tsy mandoa sara-pisoratana anarana intsony manomboka amin’ity taom-pianarana vaovao ity ireo mpianatra manovo fahalalana eny anivon’ny sekolim-panjakana dia mbola misy ihany ireo manao izany.

 

 

 

 Voakasika manokana ny EPP etsy Antandrokomby, distrikan’Antananarivo Atsimondrano. Raha araka ny fitarainan’ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra mantsy dia tsy avelan’ilay talen-tsekoly mianatra ny zanak’izy ireo raha tsy mandoa 30.000 Ar isanisany. Nanao hetsika nilanja sora-baventy mihitsy izy ireo omaly ho fanoherana izany sy ho fanairana ny Fitondram-panjakana. Nambaran’izy ireo fa ny vola hividianana fitaovam-pianarana aza efa tena manahirana vao mainka hiampy lela-vola 30.000 Ar isaky ny mpianatra indray, indrindra taorian’ny krizy nateraky ny fihibohana ?. Maro moa ireo olona sorena amin’ny fanjakana manoloana ity tranga ity. Aoka hoy izy ireo hipaka hatrany amin’ny isam-baravarana ny fampanantenana hatao no sady arahina naoty fa tsy hatao am-bava fotsiny ihany ialana amin’ny mpanararaotra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT