Fampianarana

EPP Antandrokomby Averina ny volan’ireo efa nandoa ilay 30.000 Ar


  • Zoma 09 Oktobra 2020

Nitondra fanazavana mikasika ilay lela-vola 30.000 Ar isaky ny mpianatra nalaina tamin’ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra ao amin’ny EPP

 

 

 

Antandrokomby Randrianjafy Elidio, talen-tsekoly ao an-toerana omaly. Nambarany fa fony mbola tsy tapaka tao anatin’ny filan-kevitry ny Ministra fa tsy mandoa sara-pisoratan’anarana intsony ireo mpianatra eny anivon’ny sekolim-panjakana no efa nandamina sy nametrapetraka ireo karazana paikady hiatrehany ny taom-pianarana vaovao 2020-2021 ity EPP izay tantanany ity. Anisan’izany ny fiatrehana ny karaman’ny mpampianatra FRAM sy ny resaka foto-drafitrasa. Efa nisy araka izany ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra nandoa tsikelikely ny vola tokony aloha izay nomarihiny fa tsy betsaka akory. Noho izay fapahan-kevitra noraisin’ny Fitondram-panjakana izay anefa hoy izy dia averin’ny sekoly ny volan’ireo Ray aman-dReny efa nandoa izany saingy tsy maintsy miandry fivoriana kosa. Hamory ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra rehetra mampiana-janaka ao amin’ny EPP Antandrokomby sy ny FEFI mantsy ity talen-tsekoly ity ato ho ato. Mikasika ireo mpianatra tonga misoratra anarana ao amin’ity EPP iray ity moa dia nomarihiny manokana fa tena mitombo be tokoa saingy tsy afaka mandray mihoatra ny 600 isa izy ireo, fetr’isa izay zakan’ny sekoly.

Pati

Legende : Elidio Randrianjafy, talen’ny EPP etsy Antandrokomby Anosizato

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT