Fampianarana

EPP Andrefanambohijanahary Niova endrika, 107 taona aty aoriana


  • Zoma 21 Aprily 2017

Niova endrika tanteraka ny sekoly ambaratonga fototra etsy Andrefanambohijanahary rehefa tsy nisy fanamboarana tao anatin’ny 107 taona nijoroany.

 

 Ny orinasa Filatex no nandray an-tanana ny asa fanamboarana,  naharitra am-bolana maro. Nolokoina iray manontolo ny atiny sy ivelan’ny trano, nosoloina ihany koa ny varavarankely….asa notontosaina tamin’ireo efitranon-tsekoly miisa valo sy birao roa niampy ny trano fivoahana. Mpianatra manodidina ny  747 isa no mahazo tombontsoa. 200 mahery   ireo  hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE. Omaly no notokanana tamim-pomba ofisialy ny fotodrafitrasa, lanonana notarihin’ny filoham-pirenena mivady. Nanatrika tao koa ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Paul Rabary izay nanantitrantitra ny amin’ny ezaka hataon’ny fanjakana hampidirana ho mpiasam-panjakana ireo mpampianatra FRAM nahafeno ny fepetra. Efa miisa 400.000 izy ireo ankehitriny izay mbola ezahina hampitomboina hatrany. Nasiana toerana filalaovam-baolina Basket ho an’ny mpianatra ihany koa eo an-tokotanin’ny sekoly niampy zaridaina.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT