Fampianarana

EPP ANDOHARANOFOTSY Vita ny asa fanavaozana, notokanana omaly


  • Zoma 17 Janoary 2020

Vita tanteraka ny asa fanavaozana ny EPP ao Andoharanofotsy, kaominina Andoharanofotsy,

distrikan’Antananarivo Atsimondrano rehefa nanomboka tamin’ny volana desambra lasa teo. Vokatry ny fifanomezan-tanana teo amin’ny fanjakana tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika sy ny fondation BOA tarihin-dRtoa  Sidika Akbaraly no angady nananana sy vy nahitana izany. Omaly no notokanana tamim-pomba ôfisialy ny fanaovana ity EPP iray ity izay nahitana efitranon-tsekoly vaovao miisa folo miaraka amin’ireo fitaovana rehetra ilaina ao anatiny. Tao anatin’ny hafaliana tanteraka no nandraisan’ireo mpampianatra sy mpianatra ary talen-tsekoly izany. Tena nahatsiaro nijaly mantsy izy ireo teo aloha tamin’ny haratsian’ny fotodrafitrasa nampiasainy. Anisan’ny tena nampanahy mafy azy ireo ilay efitrano iray lehibe eo an-tokotany izay fianaran’ireo ankizy madinika ao amin’ny préscolaire saingy efa  nakatona tanteraka  noho ny fahanterany. Biriky tany mantsy no nanorenana azy ity. Mindrana trano ao amin’ilay EPP efa nohavaozina araka izany ireo kilonga madinika ao amin’ny présco rehefa hianatra.  Tsiahivina moa fa miisa 18 ny mpampianatra ao amin’ny EPP Andoharanofotsy ka ny efatra amin’ireo no mbola FRAM. Manodidina ny 600 isa kosa ny mpianatra. Tsiahivina moa fa EPP roa ihany koa no nohavaozin’ny Fondation BOA any Mampikony  ankoatra ny “kits scolaire” efa nozaraina ho ana mpianatra miisa 25.000. Efa nanampy  ny mpitondra ihany koa izy tamin’ny alalan’ny fanaovam-baksiny ny ankizy madinika.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT