Fampianarana

EPP Ampahibato - Alasora Mpianatra 300 nomena sakafo sy fitaovana


  • Alatsinainy 15 Martsa 2021

Taorian’ny asa soa notanterahin’ny vadin’ny Ben’ny tanànan’Alasora tao amin’ny maternité Alasora

 ny herinandro lasa teo ho fanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny vehivavy dia nitohy tao amin’ny EPP Ampahibato izany omaly alahady. Niarahana tamin’ny Association Baobab izany notronin’ireo vehivavy mpiasa eo anivon’ny kaominina ambanivohitra Alasora ny hetsika ka ankizy mpianatra marefo miisa 300 no nahazo tombontsoa tamin’izany.

 

Tafiditra ao anatin’ny fampanantenana nataon’ny vadin’ny Ben’ny tanàna tamin’ny datin’ny 08 martsa moa izao hetsika izao ho fanomezan-tanana ireo mponina ao Alasora. Sakafo atoandro niampy koveta sy fitafiana ary penina sy kahie no natolotra ireo ankizy marefo miisa 300 ireo nandritra izany raha tsy latsa-danja amin’izany ny vovoka soja misy proteina. Raha tsiahivina dia tamin’ny taona 2018 no niorina ny Association Baobab, fikambanana iray mijery sy miahy ireo zaza kamboty izy ity raha toraka izany koa ireo olona manana fahasembanana sy ireo zokiolona. Santatra am-bava rano ihany moa izao fiaraha-miasan’ny roa tonta izao raha mbola ho avy ny manaraka.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT