Fampianarana

ENS Ampefiloha Hampita ny «esprit normalien» amin’ny fiarahamonina


  • Talata 11 Jolay 2017

Efa miravona ankehitriny ny disadisa nitranga tao amin’ity ivontoerana fampianarana ambony ity, hoy ny talen’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) ny profesora Andriambelimanana Henriette.

Nifanome toky hiara-kiasa ao anatin’ny filaminana ihany koa ny mpampianatra sy mpianatra taorian’ny korontana niseho teny an-toerana herinandro vitsy lasa izy, araka ny fanazavany. Vonona tanteraka rahateo ireo mpisehatra rehetra ao amin’ity ivontoerana ity ny hampita ilay antsoina hoe «esprit normalien» manoloana ny fitotongan’ny fanabeazana sy ny firongatry ny korontana eo anivon’ny fiarahamonina Malagasy. Fanatsarana niaraka niainga tamin’ny rafitra LMD (Licence-Master-Doctorat) tao amin’ny ENS Ampefiloha ny fametrahana ny seha-panabeazana olom-banona mba hiainana hatrany amin’ny fahazazana ny fanajana ny fitsipika fifampifehezana. Tontosaina eny an-toerana nanomboka omaly moa ny herinandron’ity sekoly mpampiofana ho mpampianatra mpanabe ity. Anton’ny hetsika ny fampahafantarana bebe kokoa amin’ny besinimaro ny momba io sekoly fampiofanana mpampianatra mpanabe io. Hivoitra hatramin’ny zoma andro farany kosa ny resaka fanabeazana, ny tontolo siantifika ary ny sehatry ny kolontsaina.  

Ramano F.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT