Fampianarana

ENI FIANARANTSOA Mpianatra 317 no notolorana diplaoma


  • Alatsinainy 20 Mey 2019

Mitombo hatrany ireo tanora matihanina eo amin’ny sehatry ny informatika eto amintsika. Mpianatra 317 mianadahy indray no indray navoaka tao amin’ny ENI ( Ecole Nationale d’ informatique ao Fianarantsoa) ny faran’ny herinandro teo.

 Ny 102 amin’ireo no nahazo ny diplaoma licence raha  notolorana ny master kosa ny 215 ambiny. Tonga nanatrika sy nanome voninahitra ny lanonana Atoa Zo Andriantsilavo, talen’ny maha olona eo anivon’ny orinasam-pifandraisana Orange Madagascar. Anisan’ny manohana arak’asa ny tanora tahaka ireny mantsy ity orinasa iray ity. Tafiditra ao anatin’izany ny fanomezany asa hiombonana ho ana  vondrom-pianakaviana miisa 22. Mandray tanora hiasa hatrany, araka izany, ny orinasa misy ireto farany,  hahafahana miady amin’ny tsy fananan’asa mahazo ny tanora eto amintsika.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT