Fampianarana

ENAM Androhibe Nosokafana omaly ny taom-pianarana vaovao


  • Alarobia 06 Aprily 2022

Nosokafana tamim-pomba ofisialy omaly ny taom-pianarana,ho an’ny fampiofanana fototra (Formation initiale) andiany faha-29,

ao anivon’ny sekoly mpanofana ho mpiasam-panjakana ambony ENAM (Ecole Nationale d’Administration de Madagascar) eny Androhibe. Tonga nanokatra sy nanome voninahitra izany ny Minisitry ny Asa, ny Fampananan’Asa, ny Asam-panjakana, ary ny Lalàna Sosialy, Ramatoa Ranampy Gisèle sy ny Sekretera Jeneralin’ny Governemanta sady Filohan’ny filan-kevim-pitantanana eo anivon’ny ENAM Andriamatoa Rakotoarisoa Miadantsata Indriamanga. Nambaran’izy ireo nandritra ny fandraisam-pitenenana natao fa tena ilain’ny firenena ny fanofanana mpiasam-panjakana ambony tahaka izao, indrindra fa ho an’ireo tanora. Haharitra 24 volana ny fiofanan'ireo mpiofana vaovao izay miisa 100 ireo. Mitsinjara ho toy izao izy ireo. Administrateurs Civil (AC) ny 25 isa. Inspecteurs du Travail, et des Lois Sociales (ITLS) ny 50 isa raha Administrateurs des Services Financiers (ASF) kosa 25 ambiny.
Nangonin’i Pati
Legende : Vonona hiatrika ny fianarany ireo mpianatra vaovao
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT