Fampianarana

Elidio Randrianjafy « Aoka tsy ho tratry ny vela-pandrika politika ny mpampianatra ! »


  • Alarobia 04 Martsa 2020

Tsy misy maharatsy ny fitakiana nataon’ny mpampianatra namana, hoy ny mpanolotsaina teknika eo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena,

 

 Elidio Randrianjafy, raha naneho ny heviny mikasika ny fitokonana isan-karazany eo anivon’ny tontolon’ny fampianarana sy fanabeazana eto Madagasikara ankehitriny. Samy efa notakiana tamin’ny fitondrana teo aloha daholo no takiana. Mazava ny tenin’ny minisitra fa tsy ho sakana amin’ny tsy hamaliana izay fitakiana izay ny minisitera, hoy izy. Misy ny fandaminana ny lalàna na pitsopitsony ara-taratasy fa ilay vola kosa dia efa azo. Misy ny misintona lakolosy amin’izy io, hoy hatrany ny tenany. Volam-panjakana io ary raha tononina ny hoe 50.000 ariary dia toy ny hoe kely fa rehefa mitambatra io dia amina miliara maro. Tsy moramora ny mamoaka izany ao anaty tetibolam-panjakana. Manao antso avo ny mpampianatra, hoy izy, mba hijery ny tombontsoan’ny mpianatra satria efa henon’ny fanjakana ny hetahetantsika ary eo am-pananterahana ny dingana hamaliana izany ny fitondrana. Mihena ny lentam-pahaizan’ny mpianatra ankehitriny satria tsy mianatra matetika ka aza manaiky ho tratry ny vela-pandrika politika isika. Ny tatitry ny banky iraisam-pirenena izay milaza fa ny 97%-n’ny Malagasy latsaky ny 10 taona no tsy mahay mamaky teny sy manoratra dia manambara, hoy izy, fa tsy ampy ny lentam-pahaizana eto Madagasikara ary hanentanana ny mpampianatra hoe andao hampitomboina ny kalitaom-pampianarana eto. Na amin’ny alalan’ny fanatsarana sy fampitomboana fitaovana io na amin’ny alalan’ny fanampiana ireo mpianatra. Efa lany andro loatra ireo fitaovana ary ny ankizy dia any am-pianarana ihany no mianatra fa rehefa tonga any an-trano dia miara-miasa aloha amin’ny ray aman-dreniny hoe aiza indray no hahita sakafo rahampitso, hoy hatrany ny fanazavany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT