Fampianarana

Efa nomena ny volan’ny «Vacation 2021» Tsy naloan’ny Oniversiten’Antananarivo ny azy


  • Zoma 22 Jolay 2022

Nitaky sy nangataka ny hamoahana ny “vacation 2021-2022” ireo mpampianatra mpiambina mandritra ny fanadinana bakalorea tetsy amin’ny Lisea Maoderina Ampefiloha omaly,

izay nasehon’izy ireo tamin’ny alalan’ny fitondrana sora-baventy. Nandrahona tsy hanohy ny asa mihitsy moa izy ireo omaly. Tetsy andaniny, manoloana io resaka tsy fandoavana ny « vacation », dia nitondra fanazavana ny Minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (MESUPRES). Efa Nampahafantarina ireo mpiambina fa efa lasa any amin'ny oniversite rehetra ny vola. Efa nandoa ny azy daholo ny Oniversiten’i Mahajanga, Fianarantsoa, Toamasina, Toliara. I Antsiranana nandoa 80% fa nampiasain'ny Filohan’ny onivrsite teo aloha tamin'ny zavatra hafa ny vola ka izay nisy tao no naloan'ny Filoha vaovao izay 80%. Antananarivo irery izany no mbola tsy nandoa mihitsy na ny ariary. Milaza fa anaty fandaminana amin'ny fandoavana ny azy ny oniversiten’Antananarivo, hoy ny loharanom-baovao, izay midika fa eny amin’ny anjerimanontolo no fositra. Raha ny voarakitry ny “tableau d'engagement” momba ny fandoavana ny vola, ho an’Antananarivo, 1 143 097 020Ar ny vola nalefa ho an’ny “vacation” ary 833 000 000Ar kosa ho an’ny fanatanterahana ny fanadinana bakalorea araka ny fandrotsaham-bola laharana 387/BTR/TME 11/04-2021 tamin’ny 17 novambra 2021. Ho an’I Mahajanga kosa dia 429 000 000Ar sy 290 000 000Ar izany; Toamasina 460 978 578Ar sy 457 000 000Ar, samy tamin’ny alalan’ny fandrotsaham-bola 388/BTR/TME 11/04-2021 tamin’ny 17 novambra 2021 kosa no nanaovana izany. Ny tany Fianarantsoa dia 833 000 000Ar; Antsiranana 356 000 000Ar sy 250 000 000Ar; Toliara 405 000 0000 sy 350 000 000Ar, ka samy narotsaka tany amin’ny paositra (Virement de la SAI à la PAOMA OV n°949/2022) avokoa ireo, araka ny loharanom-baovao azo tamin’ny Minisitera fampianarana ambony.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

  • SALON DES ETUDES
  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

INTERNATIONALES ANDIANY FAHA-16

Hijery ny tohiny
FTT