ECD eo anivon’ny INPF sy CRFRP

Mitaky ny hampidirana azy ireo ho mpiasam-panjakana


  • Zoma 31 Oktobra 2025

Satria andron’ny fanavaozana izao

dia mitondra ny fanovana tian’izy ireo ho tanterahan’ny fitondram-panjakana sy ny Minisitra vaovao eo anivon’ny Fanabeazam-pirenena ireo « Employés à courte durée » na ECD, izay hivondronan’ny mpiasa mitana ny andraikitra sekretera, agent de sécurité, femme de ménage, sofera, coursier, jardinier, formateur, chef de division,… eo anivon’ny INFP sy CRFRP manerana ny Nosy. Fanoavana izay tsy nisy sy tsy nipaka tamin’ izy ireo tao anatin’ny taona maro hoy i Rakotondralambo Herivelonjanahary Lambo satria tsy misy latsaky ny 8 taona niasana ireo mpiasa kanefa hatramin’izao tsy mbola voaray ho mpiasa raikitra. Ny taona 2017 no nisy « recrutement » farany amin’ny fandraisana mpiasa-panjakana raikitra raha ny fanazavan’izy ireo ary na nisy aza izany dia tsirairay ka izay manambola ihany no tafiditra. Nitaraina manoloana io toe-javatra io ireto mpiasa ireto nanomboka ny taona 2020 saingy tsy nisy nihaino fa dia nisedra fandrahonana ary natao anjoro-bala tanteraka. Ankehitriny dia miandrandra fanovana sy fijerena manokana ireo « Employés a courte durée ». Mandeha mantsy ny vaovao amin’izao fa tapitra amin’ity taona 2025 ity ny « contrat » an’izy ireo izay nomarihan’ireto farany fa tsy mbola hitan’ny masony hatramin’ny naha mpiasan’ny INFP sy CRFRP azy ireo. Takian’izy ireo noho izany ny handraisana azy ireo ho mpiasa-panjakana faran’izay haingana ary tsy hanavahana ny ECD rehetra ao amin’ny INFP sy CRFRP. Fanavaozana ny « contrat » mandra-pahatonga ny « recrutement », ny famoahana ny « subvention » aingana hisitrahan’izy ireo ny karaman’izy ireo ara-potoana.
LALAINA Rav

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT