Fampianarana

ECCOVA Nanampy ireo zaza nania ao Antanimora


  • Alatsinainy 13 Martsa 2023

Notoloran’ny ECCOVA (Ecole de Coupe et Couture Volana) fitafiana sy lamba Zato latsaka eo ho eo ireo zazalahy tsy ampy taona tazonina etsy amin’ny fonjaben’Antanimora amin’izao.

Ankoatra ny resaka halatra madinika dia anisan’ny antony nidiran’ny sasany amin’izy ireo ao amin’ity fonja iray ity ny fanolanana, ny famonoana Ray aman-dReny raha eo ihany koa ny halatr’omby…. Maro ireo zavatra manahirana azy ireo ankehitriny indrindra fa ireo mbola mianatra izay misy hiatrika ny fanadinam-panjakana mihitsy ny sasany. Anisan’ireny ny fitafiana….Mikasika ity farany manokana dia tsy nanadino azy ireo ny filoha tale jeneralin’ny ECCOVA Razanamanalina Volana. Tonga nanolotra lamba sy fitafiana ho azy ireo ity farany ny faran’ny herinandro teo hetsika tafiditra tao anatin’ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny vehivavy izay nomarihina tamin’ny 08 Martsa teo. Nitohy tamin’ny fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2023 notanterahin’ny fianakaviamben’ny ECCOVA izany. Fantatra nandritra izany fa efa miomana amin’ny fanadinam-panjakana hatrehiny amin’ity taona ity ireo mpianatry ny ECCOVA miisa 500 manerana ny Nosy amin’izao. Milofo fatratra ao anatin’ny sehatry ny famoronana izy ireo araka izany mba tsy ho taran’ny lamaody avy any ivelany. Ankoatra izay dia miezaka ihany koa ny ECCOVA miady amin’ny tsy fananan’asa mahazo ny tanora mpianatra ankehitriny ka ny 01, 03 ary ny 04 Aprily ho avy izao indray ny fidirana manaraka
Pati
Legende : Ramatoa Razanamanalina Volana, nitafa tamin’ny mpanao gazety !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

  • SALON DES ETUDES
  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

INTERNATIONALES ANDIANY FAHA-16

Hijery ny tohiny
FTT